Akaro (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AKARO

Akaro ambony ihany
Ny Hiakanao Sakaiza,
Fa ohatry ny hoe : ISIKA
NO ZAZA RATSY TAIZA
Raha tsy mahatana teny,
Na mivadibadi- dela ;
Fa fanamby hatramin’ ny ela
Ny hibata fandresena
‘zay napetraky ny « MARINA ».
Akaro hivazavaza
Fa isika ho’ aho tsy farina ! ! !

Dia,

Akaro ambony koa
Ny vavakao Mpino !
Fa ny finoana ananantsika
No toa lamoka na adino,
Raha toa ka tsy hita ny akony !
Na lasa ho an’ ny hafa ;
Sao dia koa tafa
Tsy vokatry ny fo
No ilazàn’ ireo mpandranitra :
Akaro isan’ ora
Hitseran’ Andriamanitra ! ! !

Ary…

Hamafiso ihany
Ny tolonao vahoaka
Fa ohatry ny hoe : ISIKA
NO MPANGINA SY MPITSOAKA
Raha manaiky hangoron- damba !
Na ho azony rahonana ;
Fa efa tena fahavononana
Iny TONGA MIARAKA iny :
Sahia ianao VAHOAKA
Fa anao ny fandresena
N’ inona n’ inona hipoaka ! ! !

Fa ny tena FIRENENA
Dia izay miaro ny « AN’ NY TENA »
Izay sarotiny amin’ ny zony…
Ka aza amelana intsony

Fa … azanao izy izao ! ! !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Asabotsy 26 janoary 2002 / 12 : 18’ atoandro * Anjanahary II O 173 ter ( ROJO)
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
1879 2
Mpakafy: sarondrahona - booboo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152