Amiko (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
**nivoaka tamin’ny : RADIO RAVINALA ny 31-03-2000
RADIO RAVINALA : 10-11-2000
(valin’ny FANONTANIAN’i TAHIRINTSOA)


« TENA HANDROSO IARIVO
KA HO SANGANY ETO ANIVO »

Hanakoako laza , hanendro koa satria :
Miparitaka eto izao ny teknolojia

« HANDROSO IHANY IARIVO
REHEFA MIHA-MARIVO

‘Reo resa-politikan’ny kely sy lehibe ;
Manosika azy hirotsaka, hameno ny arabe »

« INOY FA HANDROSO IARIVO
HANDROSO NY ETO ANIVO ;

Raha foana tsisy intsony ny endri-panolanana
Ny zaza tsy ampy taona, sy ny asam- panakanana »

« HANROSO HO ‘AHO IARIVO
REHEFA MBA MARIVO

‘Reo tobim-pako maro, vangongo be dia be ;
Manempotra mpandalo, manery lalam-be »

« HANDROSO ETO ANIVO
NA ANIO NA ARIVOARIVO

Rehefa mba mivelona ireo olona tsy an’asa
Ka tsy handry an-tsisin-dalana, ho setrin’ny andro lasa »

Ny TAONA ROARIVO
No hanosika an’IARIVO ...


SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
(27-02-2000/andravoahan gy)
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana
1472 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156