Dera (ho an'i deratarafina raoelison) (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DERA ( Ho an’i DERATARAFINA Raoelison )

Ny hoe : « NOFY » aloha, « TSY HO NOFY ! »
Nefa sarotra antenaina
‘zay fipodin’ny tantara
Ho toy ireny lasa ireny;
Angamba hain’ise tsara
Ireo tsiaro sy tadidy
Tamin’ny zava –nolazaina
Na tamin’ny sangisangy vita.
Indrindra izaho ilay miteny hoe :
“DERA MIAFINA…
DERA TARAFINA…”
Fa vao nivadika ny pejy
Ka nanarona ny vahona;
Dia toy ny hoe izaho sisa eto
Fa ise any am –pita,
Ary izao tontolo izao
No tsaroako ho saron –drahona
Hatramin’izay hariva izay !

Nisy saina tsy nitony :
Fo nandripaka ny valany !
Nisy vava sahisahy,
Nanadala izay adalany;
Ary nisy fahakiviana
Nampikimpy ilay malalany…
Fa ny ahiahiko rehetra
Samy nanana ny lalany
Sy nitanjozotra teny:

Dia mety hisy ve ry DERA
Ny andro ho maloka sahady
Hamono ireny lasa ireny ?
Na ho saina ravarava !
Na ho vata – mangatsiaka … ?!
Asa aloha, fa izaho tsy mino…
Ary mbola manantena
Fa hihaona ihany isika.

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
26 mey 2001/ t@9ora55mnalina tao BERONONO- Anjozorobe
faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
2003 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106