FAMERINY (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
izaho aloha tsy naminany
na nahazo tsindrimandry
fa iny zanak'olona iny
tsy hamadika an'i Zandry;
tena sahiko milaza !
fa ianao aza indraindray
no manao fanahin-jaza
mivadibadika im-polo:
'zao vehivavy rehetra izao
vao mamboraka fitia
dia tiavinao daholo!!!
fahambanian-tsaina lalina.
'zao inao tsy mody an-trano
Manenji-dolo hatraiza hatraiza;
ifampiantsoana isak'alina !!!

efa matiko porofo
ianao mamitapitaka io;
Tsikaritry ny rehetra rehetra:
Finday maneno tsara izao
tsy raisinao fa hoe tsy re
sy hoe finday mipararetra:
nanjary famelan-kafatra
izaho akory tsy milaza
hoe:"ianao no tonga lafatra !"
fa ny ditranao tsy rariny.
ny vadinao voahitsakitsaka
tsy nitseranao akory
kosehinao hatramin'ny sariny !!!

vao omaly indray aza ny hoe:
"Tsy any an-drenivohitra aho
fa efa ety ambony fiara
hihazo an'Anjozorobe,"
nefa etsy AMBODIVONA;
lany haiky aho ry zandry
raha ny fanoroako anao:
Beazina amin'ny fomba ahoana ?

Rehefa tia ianao dia tiavo
fa rehefa hiala koa dia tsory
Fa tsy any am-pisotroana ianao
no hiantsoantso aty an-trano
dia milaza fa mivory;
misy antsom-panjakana !
Izaho kosa aloha ry zandry
tsy hanakotakon-dravina eo
raha izay resaka hadalana.

Olon-kendry ianao no hanariko
sy toroako foana ihany
ka handray izao teny izao :
Iny "ZANAK°OLONA" iny,
aza omena fahoriana
fa iny no anjaranao;
Raha misy heloka, aza, ataony
mankarary fo anao;
Tsy maninona, teneno !
Fa ny ahy haveriko eto ihany
ny teny tany am-piandohana:
"NY ZANAK°OLONA E! TANDREMO!!!"

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Tél: 032 62 897 51
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2589 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Nampiditra : sarondrahona
Daty : 29/11/2008 16:32
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117