Fandrika (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANDRIKA

Raha lazainy ho halany iny
Ka mitady ho tiany ianao;
Dia saino tsara ihany aloha,
Fa sao ny sarobidy indrindra
Sy ny ho avinao rehetra
No tiany hatao kilalao.
Fa izy zatra mitanisa
Sy mitetitety vohitra
Amin’iny hirany iny !
Izy zatra manambàka
Sy misavitsavi-paosy
Amin’ny olona iriany.
Izy zatra mioty harena
Sy mitango tombon –tsoa :
Miondana ny “sitrany ahay”
Izy zatra manantena
Sady zatra tia tena
An –kafetsena sendra troatra;

Ka raha lazainy ho halany iny
Na mitady ho tiany ianao,
Dia fadio ny maika hitsena
Fa fantaro tsara izao:
Iny zazavavy fandrika
Manipitsipy faniriana
Manodòka anao iny,
Dia MENARANA FETSY LOATRA !
Vitsika mandò kitay !
Mamba tsilon’ny fitàna :
Velam –pandrika malama !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Teny Antseranam –piaramanidina - IVATO
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
890 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151