Filazana (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FILAZANA

Takianay ny FAHAFAHANA
Sy ny fanapihan-jioga
Ho an’ny TENY MALAGASY :
Takianay hatramin’ny farany !

Takianay ny FAHALALAHANA
Sy ny fiainany ara –drariny,
Manomboka any an –dakilasy :
Tsy maintsy azonay ny anarany !

Takiana ireo Mpitondra ambony
Mba ho lalam –pitolomana
Am –bava sy an –taratasy:
“Andriano ny an’ny tena !”

Takianay ny fanjakàna
Sy ny fanarenan-drova
Ho an’ny TENY MALAGASY,
Ho fiandrianam –pirenena !

Fa raha ireny TENY ireny
Izay singa kely indrindra
Amin’ny maha –ISIKA antsika
No hosena sy ambaniana

Dia Firenena ho aiza isika
Raha ho modra –pandovàna
Ity tontolon’ivon-driaka
Zato taona any aoriana ?

Iantsoana vonjy ianao VAHOAKA:
Samy mba hanipy tanana
Izany fitakiana izany,
Hitolona manomboka eto

Takionao hiredareda
Ny lelafom-panafahana
Ho an’ny TENY MALAGASY
Raha mitsilopy, ampireheto !

Ary hatrany am –pahefàny
Dia takiana foana izany !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
14 Jona 2004
FARIBOLANA SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
2003 2
Mpakafy: sarondrahona - Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154