Hiposaka (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIPOSAKA

Ireny hirantsika ireny,
Nokaloina ho tadidy !
Hirahira nampahatsiaro
Hafanana sendra tonga ?
Toa fanalahidy vao !
Ary ora sarobidy
Nampahatsiaro nofy mamy :
Nofy teo anilanao !

Ireny kalo mora ireny,
Kalokalo sendra tonga
Tany anaty tononkira;
Kalokalo sy somonga
Zary toa fitia nandrotsy !
Safosafo nampatory;
Fa ny gadona sy paika
Nanitarana azy hitohy,
Toa tsy tana an –drefy akory.

Dia manofy am –pandehanana :
Sady mihira no mitia !
Sady miantsa no mandihy !
Sady menatra no miahotra;
Tsy tahotra fa sava –lasy.
Ka ny hirahira Malagasy
Izay niarahana nikalo
No nifamihinan –tanana.

‘zay isika vao nitia
Nitia fiainana tsy foy…
Vao fitia miantsinana !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
848 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104