Ianao malalako (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO MALALAKO

Matoa entiko eto izao resaka izao
Dia sanatria, tsy hoe kilalao
Fa amin’ny fo vonon –kitia
Ary amin’ny saina maniry hiara – dia

Ianao izao manahy izay tena ato an –tsaiko
Tsy mety mino izay teny lazaiko
Ary matahotra ny hanakaiky
Ka misalsala raha tokony hanaiky

Amiko anefa ny tena fitiavana
Tsy izay “fanekena” na ny hoe “fandavana”
Fa io finoana milatsaka anaty
Hoe : “ rà hikoriana ho mandra –pahafaty !”

Ny resa –pitiavana tsy fanahiana
Na fanambakàna ny fonao tiana
Fa io eritreritra sy fahamatorana
“Ianao fandeferana, izaho fahatsorana...!”

Ka atsipiko ihany izao resaka izao:
“Aza tsiniana aho raha mba tia anao!”
Fa ianao ihany no andrian’ny saiko
Raha tia ahy ianao, dia izay no ilaiko!!!

Anao ny saina, ianao no hisafidy
Ianao no hitsara sy hamoaka didy
Raha hakariko ihany izao resaka izao:
“Omeo ENY aho, fa mba tia anao !”

Dia izay ny hetahetako sy ny tantarany
Fa ianao no tompon’ny safidy farany
Ianao foana no andrasako hatrany
Ry hany tiana tsy foiko eto an-tany !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
DO.COM.CYBER Ankadifotsy, faha 19 Jolay 2004
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1651 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108