Maditra (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MADITRA

Voafitako ihany ianao
Fa izaho anie maditra e!
Norobaiko daholo
Ny ny olona rehetra
Nitsiky ahy nandalo !
Nalaiko ho sakaiza
Izay nirehareha
Saika hamandrika ahy
Sy nihevitra ho fahavalo;
Azoko tanteraka !
Na iza n’iza izy
No nidiridiry,
N’iza n’iza koa
No nipitrapitra;
Dia tokan-trano izao,
Miombona ato am –poko
Toa zanaka nateraka !

‘Zao vao fantatrao
Fa izaho mahery setra !
nalaiko an –kitsirano
Ny fara –fahatsoran’
Ny olona rehetra,
Sy fara –fahasarotany !
Nataoko vary an –drano
Ny fakam –pihavanana
Am –potaka niongotany
Dia azoko avokoa !
Na iza n’iza izy
No nitsitokotoko,
Na iza n’iza izy
Mpanao amboletra
Dia lasa bambaray
Anaty faritaniko;
Anaty fefiloha !

Lazaiko anao indray
Fa izaho anie maditra e !
Ny alina im –pito
Amin’ny fito mba ananako
Tsy tanako ihavanana !
Ny hira kely telo
Amin’ny hira tiako indrindra,
Nanjary lasa namana;
Dia maty aho sakaiza,
Fa n’iza n’iza koa
Nisavika ny anarako,
N’iza nifanaraka,
N’iza nifanditra
Dia samy miara –b elona
Amin’io fiainako io:
Na aiza izy, na aiza... !

Ny ahy io ditrako io
Madio mangananganana :
“Maditra aho ! Maditra...
Fa adalam –pihavanana”

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Ambatomainty, faha 20 Mey 2003
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
2119 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154