Maraina tao anteza (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARAINA TAO ANTEZA

Naraina ihany ny andro
Nofikirina tsy hazava;
Maraina nibaliaka !
Maraina hafahafa,
Hotsakotsaka toa nandro :
Maraina malo –tava
Teo an –tsikin’ny masoandro !
Naraina ihany lahy
Ilay ali –notsitsiana,
Dia ilay alinalin –tafa
Sy alinalin –kehy
Zinaran’ny koràna !

Nangina ilay tanàna
Nitaba sady sina !

Naraina ihany ANTEZA
Nitsahanao mpandalo;
Maraina toa manjombona !
Maraina saron –drahona
Sy nisalondolondo,
Na saron –tsiaro ngeza.
Fa teo no nialoalo
Ny sampana hizorana
Sy ny fikoranana :
Tsinjaka tsy hateza.
Naraina ilay tanàna
Tsinidikao an –tselatra,
Dia iny fa misonga
Sy mampiaka –javona
Ny etsy Maroelatra !

Maraina noloahana…
Maraina nisarahana !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Anteza, Antanetibe Anativolo (ANJOZOROBE), 17 Jolay 2001
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1240 2
Mpakafy: Malalason - sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135