Misavoana ( ho valin'ny tononkalon'i malalason hoe : "fahotana ve ny ditra ?" (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MIOVA
( Valin’ny tononkalon’i R.JO hoe : “FAHOTANA VE NY DITRA ?”)

Misavoana loatra ny hevitr’ise
Ka very ny marina !
Ny zava – drehetra,
Niaraha – nahita teto -tanàna
Niaraha – nandre !
Fa ny olon –drehetra dia samy nozarina
Hanara –dalàna.
Nefa Sakaiza ,
Dia gaga aho raha hoe
Mety amintsika ny hamita –tena
Amin’izay migodàna;
Indrindra fa ise !!!
Ary valio, hoe:
“Fahamendrehana ve ny maditra,
Sa fahotàna ?”

Dia mampalahelo ahy ny tenin’ise hoe :
Niniako daholo ny zava –drehetra
Mba hadinoina !
Sa ve, hadino ny anaran’ise
Raha mba tsy nantsoina ?
Na fahavalo ihorehana ise
Tsy nahiditra an –trano ?
Ny mampalahelo amin’ny fiainana Zoky a!
Dia izay matimaty manara –dalàna
No mahita angano !!!

Ise mora mino ka mampalahelo !
Raha izaho izao no tamin’ny toeran’ise :
Nisaina in –telo…
Nahodiko ihany...
“Fa raha tena Zandry, tsy hanary Zoky,
Raha misy haditràny !”

Porofon’izany ?

Ise alin’ny asa, ny tany nandìny,
Iza no niandry ?
Tokonan’iza no nampandrosoany:
Tsy tany amin’i Zandry ?

Fa ny ahy, anatra iny
Tsy maintsy beazina
Isika Sakaiza
Tsy ho verin’ny tsiny !

Ka fakafakao e!
Fa mbola mitàna fihavanana tsara
Ilay Zandrinao.

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
DO.COM.CYBER – Ankadifotsy, faha 18 Jolay 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
2522 1
Mpakafy: sarondrahona
Hevitra mandeha
randrianarimalalapatrickg ( 15/07/2016 16:48)
mlay an!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168