Ny ditran'ise (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY DITRAN'ISE

Tsy hoe fandatsàna Razandry malala,
Fa fo efa vato raha toa tsy hongaina,
Na koa tsy hiteny !
Fa miherina sahady
Ny taona mangidy
Nandaozan'i Neny:
Ny andro nahalasana...
I Neny Olon -tsotra sy mba nantenaina
No rembin'ny fasana,
Lasa nandeha;
fa nihinjitra an -dalana,
Folaka an -daton'ny ditran'ise

Ise any am -ponja,
I Neny mitsotra;
Dia resaka ditra tsy tana ohatr'ireny
No niova ho ratra nahafaty an'i Neny :
"Ise notenenina, tsy azo raràna !
Ise mba natoro, tsy nety voatàna !"
Dia izao no iafaràny :
Nahafotsy rora ny olona ise
vao nahadika lalàna!
Efa kamboty vao mahatsapa onja ,
ka ataovy anatra:
Aoka ho afo nandoro an'ise
Ny any am -ponja !!!

Tsarovy ny hoe:
"Ny antony tena nahafaty an'i Neny ?
Ny DITRAN'ISE !!!"


SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
2003
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
1652 2
Mpakafy: sarondrahona - Malalason
Hevitra mandeha
Clarys ( 06/05/2004 07:09)
Mampalahelo izany ry ise a ! Enga anie mba tsy...ho marina !!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146