Porofo (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POROFO
(valin'ny Tononkalon'i dadan'i FI, hoe : "DOSSIER
BERONONO"

Matimatiny ihany ise
Raha nisaina vetivety
Hoe :"Ilay Poeta iny,
Asavaonan-drehareha
Hiedinedina an -gazety,
Ka hibahana Onjam -peo
Eo am -pitsenàna ny alina;
Ny Hodokafana no tiany !"

Fa jereo ny fifaliany :
"Matimatiny amin'ny taniny
Tsy mba misy mpanazava !
Namakivaky ny aty Ala
Hoe mitabataba lava:
Tsy aman -defona,tsy basy;
Namaky lohasaha sy havoana.
Tena sahy nitolona izy,
Nihoso -potaka aman -jofo;
Nefa dia Poeta foana !!!

Nino haika angamba ise
Fa nolemana ho larony;
hay ka ilay Poeta mihitsy
no nanentina tantely
tamin'ny tany be ronono ?

Efa tapa -bolana izy
Tsy nitsahatra nandeha :
Lany tany ny kirarony !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
2316 1
Mpakafy: Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168