Sasiny ( ho an'i malalason na r.jo) (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SASINY ( Ho an’i malalason na R.JO)

Raha vitan’ise ny handatsa an’i Zandry
Dia asan’ise, fa an’ise ny safidy
An’iza ny saina ? – An’iza ny sandry ?
Iza no tokony hamoka ny didy ?

Ny ahy ny fihavanana tsy nandeferako
Na iza na iza nihavana tamiko
Ny namana ho ahy, toy ny zaza naterako
Ny taninareo toy ny any amin’ny taniko.

Nefa mba lalana koa ny tsy mety
Raha tojo amin’ny dian’ny velona ianao
Mba misy andro maloka, raha misy fety
Fipoiran’ny ady ny herin-dalalao

Dia vitan’ise ve ny handatsa an’i Zandry
Raha ny hambom –pony no hampandeferina ?
Ny fihavanantsika no sasatra miandry
Fa tsy dia hoe : “ ny atao no miverina !”

Zoky a! Fa inona loatra ny heloko
Raha mba mitsotra aho ka mety hihavana ?
Iza no tompon’ny tsiambarateloko
Miala amin’ny fiainana, hatramin’ny fitiavana… ?

Ny marina loatra no fantatr’ise
Raha ny andro lasa no tiako hatsingerina
Ka aza dia midina any amin’ny hoe :
“Ny atody tsy misy, fa ny akoho no miverina !”

Dia izay ihany no tenin’ i Zandry
Fa hitany mantsy ny hafatr’ise
Tsy maintsy hisy mantsy ny fodiana mandry
Ka izay iray isika no hanenina be !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57 )
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Ankadifotsy, faha 18 Jolay 2004
--------
Rohy:
868 1
Mpakafy: sarondrahona
Hevitra mandeha
Malalason ( 21/06/2005 11:31)
Han ! han! han! eny leitsy tompoko oh!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162