SETRINY ( Valin'ny HAFATR° i R A D O) (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mipetraha aloha ianao,
Ary aza dia misento mafy
Na handrovitra fitafy
Fa henoy izay lazaiko;
Sombin-teny no voaraiko
Vao handia ny tokonana,
Sady nanana fironana
Ho fari-piainana ambony
Ka tsy mihambahamba intsony,
Fa miaina an-teny baiko
Sy ny "IALAHY" raha toa ka GASY,
Ary sary an-taratasy:
Olon-droa misakambina
No tazako tam-baravarana;
Fa efa vita fianarana
Ity zatovo ilaharany
Eo an-doha farafarany;
Voninkazo mavokely
Toa mivolom-bolamena
No manatrika jerena,
Ary sezan'olo-mihaja
No miampatra ao an'efiny
Sy ireo firavaka tinefiny
Ka tsy nisy azo hidirana
Fa izao tody izao
Mba hitatitra aminao.

Tsisy tanana voaraiko,
Tsisy teny mba nambarako
Fa sambatra izy no fitsarako

Ka aza mihevitra azy intsony
Na manembona izay tsy izy
Fa efa tena sambatra izy.

Ny mbola ho avy no andraso
Dia fafao ny ranomaso

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Antananarivo,1999
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
3623 2
Mpakafy: rhjo - sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Nampiditra : sarondrahona
Daty : 13/10/2008 12:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149