Triatra ( ho anay) (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TRIATRA
Fahendrena ihany angamba
Ny milaza tsotra hoe :
« Efa tena niady isika »
Fahendren’ny mody adala !
Ny olona rehetra anie
Tsisy tompon –trano nihono e!
Tsisy izay tsy nahalala;
Ary tsisy tsy variana!?
Teto ivelany iny vita,
Nikirizana ho tontosa
Ary tena nikimpiana;
Fa ny tany anaty fo
Latsain’ny ràn’ny fihavanana
Sy ny tsiaro naha –mpinamana:
Ka “nandriana, dia nandriana !”

Amin’ny vava moramora
Ny tsetsatsetsa rehetrarehetra:
Mahay mandray dia manary
Fa ny rà iombonantsika
Efa hatrany Beronono
Sy hatreto Iarivo eto;
Tsy mety ho ravarava sary.
Dia aleo mitsara tena
Raha izay no zava –misy
Fa tantara mampisento !!!

Izany no hilazàko hoe :
Aleo haverina ny resaka;
Atao hatramin’ny fiandohàny
Sy ny tononkirantsika:
“Miaramila...fisarahana...”
Aleo hasiana andro iray
Hihomananantsika ireo:
Alahady hivavahana!
Aleo asiana marimaritra
Hanambarana ny tady
Sy hampitovitovy feo.
Ka ny trosako amin’izany
Dia izao hefaiko izao :
“ ‘ndeha hitsidika anareo...!”

Maizimaizina ny andro...
Velon –kira koa ny antsiva :
Aza adino Zokilahy a!
Mandalova any an –trano
Dia halaivo aho rahariva :
Ary ento mody kely.

Tsisy tsiny sanatria
Ny lasa vita rehetra rehetra
Fa : “Ny olombelona tsy anjely !!!”

Mbola tondraka ny rano…
Nefa na dia izany izany :
Lakana entina any an –trano

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
DO.COM.CYBER Ankadifotsy
Antananarivo, faha 16 Jolay 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
2108 1
Mpakafy: sarondrahona
Hevitra mandeha
Malalason ( 17/07/2004 15:52)

ny atody tsy misy fa ny akoho no miverina zandry a
aza manahelo fa mbola misy voalavo tsy maty.....
ny zokimalalan'i Zandry tsy foiny
snif snif booooooooh
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147