Tsiaro (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIARO

Misy ny tsiaro tsy mety voafafa
Fa velona foana ao anatin’ny saina
Mamela sento sy tsiahy hafahafa
Manomboka alina mandra –maraina

Misy ny tsiaro tsy mety matory
Fa rendremana, dia taitra ihany
Miarina mbola tsy fohazina akory
Mitobaka foana fa tsy mety lany

Misy ny tsiaro tsy inona akory
Fa alahelo ny lasa rehetra
Dia lasa ny rahona indray no mivory
Ka sarona foana sy toa manjoretra

Misy ny tsiaro midrikina hiteny
Sy te-hankalaza ny fanambaràny
Te-hitafa foana ombieny ombieny
Fa mety mba androny angamba androany

Izany no tsiaro
Maha –saro –piaro !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - ahy
1776 2
Mpakafy: sarondrahona - arcane
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154