TSY TONGA VOLANA (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niondrana matetitetika
Hoe hivory any an-tampony
Impiry niverina avy any
fa tsy nazava ny antony

Nalaza taty an-tanàna
Fa vitanareo lahadinika
Hoe haverina ho an'ny GASY, hono
Ireo Nosintsika madinika.

Nisy vaovao efa heno
Taratra kely nanambana;
Nanaiky ny maha-tompony antsika
ireo Firenena mikambana

Nandrasana faran'ny taona
Nandrasana taom-baovao
Fa tsy nety nipaka amin'izany
Ny resaka nataonao

Nandrasanay ny sasak'alina
Niaritra hihaino kabary
Teny mamy,hono, fa Asaramanitra e!
Fa tsy nivoaka ny sary

Nikisaka teny ny volana
Nigadona ho Febroary
Voaresaka foana "ireo Nosy"
Fa resaka tsy zarizary

fa inona no tena mazava e?
Namidy ireo sa nangalarina ?
nefa voizina maneran-tany
Fa isika no tompony marina !!!

Impiry io izay Janoary?
Dia fahafiry amin'izao indray no ho marsa?
Raha izao no fivoaky ny ady a!
hanjavona ny "ILES EPARSES"

NY IRAKA RAMBOLAMANANA
In - SOA MAHAMANINA
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1653 0
Hevitra mandeha
03314 ( 02/02/2018 18:37)
marina izany...Tsy tonga volana a!

JODA RAZAKASOA ihany e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Nampiditra : sarondrahona
Daty : 02/02/2018 13:51
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011