Vona (teti -harana momba an'i sarondrahona) (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VONA

Any izay RAMBOLAMANANA
Hoy ny sentosentoko eto
Mieritreritra anareo
Manontonona ny anarako

Any izay RAMBOLAMANANA
Hoy ireo namantsika maro
Vao mahatazana anareo
Miakatra amin’ilay fiakarako

Toa tsikaritro aza i Zoky
Manoritsoritra azy hoe:
RAMBOLAMANANA daholo letsy
Izy mianakavy a !
Fa miampy hoe: JOHNSON
Dia misy koa hoe: SITRAKA
Sy ry VENCELAS
Tsy maty ao am-ponareo
I HOLLANDE ilay mpanihany
Sy i OMEGA mahery setra
Tsaronareo RANENITOA
Sy ny havako rehetra: MAMA,DADA ;
Tsaronareo koa ry TISY
Ry FIFI, ry SAFIDY
Ary izaho dia mahatadidy
Ilay:”Aody re ry ZOLY a!”
Misakafo sa matory e!
Raha misakafo dia milaoka
Tsaramaso ?Voanjobory ?
Ny tao an-tranon-dry Elie
Nisakafoanana tatỳ
Tsy ho hadino ireny akory

Fa any izay i RAMBOLAMANANA
Hoy ny vetsovetsoko eto
Toa mahatazana an’i Zoky
Mba mikapakapa tanana

Lalovanao ny orinasa
Fiasan’ilay malalako
Toa tsy ho hitako intsony
Dia tadidinao ny lasa

Any izay i RAMBOLAMANANA
Hoy i BITAKA tsy taitra
Arimorimorimon’ny fiarany
Mianatsimo, miantsinanana

Fa izaho raha mbola manana
Na dia sento tokana aza
Dia soratako ho tantara
Noho isika hoe: “MPINAMANA”

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA(03314 253 57)
Faribolana SANDRATRA-Antananarivo
Ambatomanoina-Anjozorobe, faha 8 jolay 2003
--------
Rohy:
983 0
Hevitra mandeha
Malalason ( 31/01/2006 11:06)
any izay RAMBOLAMANANA
hoy ny sentom-poko eto
mikapakapa tanana,
mitraingotraingo toa rapeto...
hihihi tsy mahay aho
Malalason ( 31/01/2006 11:07)
any izay RAMBOLAMANANA
hoy ny sentom-poko eto
mikapakapa tanana,
mitraingotraingo toa rapeto...
hihihi tsy mahay aho
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147