'zay (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘ZAY

Ianao raha miteny, mahaiza mandrefy,
Na dia hoe : “efa ady aza no atrehintsika”;
Fa raha paipaika sy hoe rafidrafitra natefitefy
No bala hitifirana,
Tsy maintsy milamina , tsisy mipika
Vao misy mangirana !

Ianao raha miteny , mahaiza mba tony;
Fa io hoe: “andaniny sy ankilany” io ,raha miohatra anao
Dia be ratsy am –po sy tia lonilony :
Mikendry hodivirana !
Fadio ny miraoka sy fomban –tadio
Na jery sompirana.

Raha fara –tsy fidiny
Sendra kanonta , na zaran’angady,
Dia mihemora aloha;
Ka aza adinoina sy tsarovy tsara :
“Misaina vao miady !”

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
859 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116