SARINAO (SCOTLANDYARD)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SARINAO

Mijery sy mibanjina
ireo sarinao
Dia lasa teo ny saiko
Ka iny aho manontany

Moa ve mitovy tanjona
Ny foko sy ny anao
Ny valiny tsy haiko
Fa mahalasa vinany

Dia sady maka fy
Ilay sarinao mitsiky
Ilay tsikinao tsy foiko
Dia verivery saina

Ahoana loatra akia
Fa dia nahoana iky
No feno anao foko
Ry olon-tiako hihantana ?
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/scotlandyard/sarinao
Sokajy : Fahatsiarovana
2071 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SCOTLANDYARD
Nampiditra : scotlandyard
Daty : 20/03/2009 23:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2108