Fetin'ny kamboty (Sento tokana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androany aho manirey tsisy antenaina
Mahatsiaro satria tsisy arabaina,
Fa ilay reniko toa efa nalaina,
nalain'ny ao ambony
De izaho irery sisa no mangaina
Mangaina,fa izy tsy iverina intsony.


Neny fetinao androany nefa ianao tsy tazana
Indrisy fa izaho tsy misy, tsy misy iantsapazana,
Satria lavitra ahy ianao tsy ita intsony
Eeeeee mba miangatra re ilay ao ambony.
Nakanao nefa tsy namerina intsony.



Neny a, tsimaintsy eo amin'ny fasanao ity raozy ity no apetrako androany
Eo aho no andany ny androko eo aho no itomany.
Satria tsy mba eo ianao iaraka ifety amiko,
De aleoko eo amin'ny fasanao no andaniko ny androko.

Sento tokana
Tsy kamboty aho fa mahatsapa ny toeran'ny kamboty.
Mahereza fa mbola hoavy ny maraim-baovao
Sento tokana
--------
Rohy:
1231 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143