Hafatro farany sisa ity (Sento tokana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alohan'ny anadinoako anao,
alohan'ny fahanginako.
Ity mbola misy hafatro farany ho anao,
hafatrin'ny fiangaviko.

Enao efa an'olon-kafa
nefa mbola tiako,
io fitiavako io nefa, tsy mety voafafa
ka izay no mba iangaviko.

Atomboko ny fanadinoana
Atomboko androany.
Kanefa tadidio
Fa izay ny anah ny anjarako, tsy asiko tomany.

Atomboko ny anah ny ady,
ho santariko ny sedra.
Fa ilay fitiavako tsy voavaly,
De hangina aho eo amin'ny rehetra.

Sento tokana
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
1064 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143