NITADY FAHANGINANA (Sento tokana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nitady fitoniana, nizaha fahanginana
Ka sedra aizina tsy azo idifirana
Nanantena fifaliana sy azavana
Nefa indrisy, fa nilaozan’ny hafanana


Tsy fidiny ary tsy sitra-po
Izany mba mitady fifaliam-po
Tsy nisafidy handao,
Fa zava bita tsy voatandrina.
Mba satry ary hitoy ny lalao
Fa diso safidy tanaty atsirambina.

Nanantena fa anaty aizina no misy azavana
Nefa ao anaty olana no feno adalana
Ka noraisinao ny safidy,
lasa ianao de izay no mizaka ny mangidy.

Sento tokana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
852 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106