You are here: home > Vetso

Tara-bolana - Sento tokana

Azo vakiana?

Tara-bolana malefaka
no hany mba tafiditra eto ambaravarakeliko
sombitsombitaratra
eny sombitsombink'azavana.

Taratra toa voamaika
mampitombo ny alaheloko.
Sombitsombiny sisa no mba anjarako
fa ny manontolo efa any amin'ny hafa.
Azy ny taratrao.

Mamiratra ianao,
fa tsy azoko takarina
Lafatra ianao,
fa tsy azoko angalarina.

Eny e, fa tsy maninona
fa angalatra aho ijery,
ka hofihiniko mafy ity taratr'azavanakely
izay nomenao ahy.

Sento tokana

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha