tiako ianao nefa •••••••• (Sento tokana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IANAO NEFA...........

Avelanao ipitrapitra ve?
Ity foko tena tia
Avelanao angatsika ve?
ity fitiavako miandrandran-dry.

Eny mety tsy ho fantatrao mihitsy angamba
satria ianao efa azy.


Tsy mahatodika aho, tsy mahajery
rehefa tantanan'iny olona iny ianao.
Ka ity foko no zary mipitrapitra kely
De aleoko mandao tsy mijery.


Rakotr'aizina ny taniko
rehefa tazako ianao "orohany"
Satria ianao ilay mamiko
tsy mba mahafantatra ahy akoriny.



Fa nahoana ary aho no jamba
Nefa jamba taminao.
Fa nahoana ary aho raha tena jamba
de tsy nahita ny hakantonao angamba.

Sento tokana
--------
Rohy:
1887 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097