IZAY NO FARATENIKO (Sitrak'i Ny AVO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY NO FARATENIKO
“Lasa aho”, hoy ianao
Dia zaho tsy nitana,
Satria tsy tamana.
Ka hoy aho taminao;
“Aza miverina intsony,
fa mila anao ny fony.”
Fa zakakako ny ahy
Tsy hiankinako aminao ,
Tsy mila mitalao.
Tsy hisy hahihay
Fa ny hoa avinao mbanjnina,
Ny entanao vimbinina.
Dia zory izato lalana
Ny hiverina hadinoy,
Ny anarako vonoy
Dia raha sendra mba sapanana
Mahaiza misafidy,
Sao tratran’ny mangidy
Fa izao tsy eo intsony
Tsy hafaka hanarina,
Fa any dia mivarina
Satria tsy ahy intsony ianao
Ka tsy mba hadidiko,
Eny tsy ho tadidiko
Na ny endrikao ankory
Sy izay mety mombamoba,
Fa zary fombafomba
Satria ianao ilay nampahory
Sy ilay namitaka ahy,
tena sahisahy
Ka veloma no hapetrako,
Veloma ihany , veloma hatrany
Izay no farateniko.
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1519 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sitrak'i Ny AVO
Nampiditra : Sytraka
Daty : 25/07/2013 12:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115