MISOKO MANGINA (Sitrak'i Ny AVO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISOKO MANGINA

Misoko mangina, fa tsy hainao vidina, ny fotoana eto an-tany,
Raha toa ka mandatsa na koa manakina, mijanona [eo] ihany.
Fa misoko mangina ka mandratran’ny saiko ny mieritreritra anao,
Raha toa ka hanenina any aoriana, nohon’ny natao.
Misoko mangina, fa tsy hainao vidina,
Misoko mangina, fa tsy hainao kaliana.

Misoko mangina, fa vetivety dia tonga ny andro maraina,
Ka raha ho tonga aminao ilay taramasoandro, hifoha tsy halaina.
Misoko mangina, fa hinoako sahady.
Fa raha toa ka tsy misy, dia hivonona hitady.
Misoko mangina, tsy hainao terena,
Misoko mangina, ka hoe: “Miverena”.

Misoko mangina, dia ho tonga sahady ny mitatao vovonana,
Ny tiako mba hita dia fo falifaly, tsy himonomononana,
Misoko mangina, fa mbola vonona hiady,
Mbola ao ny eri-tsaina hoentimiady.
Misoko mangina, fa efa hadiva,
Misoko mangina, ny andro hariva,
Misoko mangina, fa hivonona hatrany
Misoko mangina, ‘zay mety ho any.

Misoko mangina, dia indro fa tonga ny mody masoandro,
Dia hanao jeritodika sy vinavina nandritrin’ny andro.
Misoko mangina, fa tsimaintsy hialasasatra,
Hiandry ny ampitso ‘zay mbola ankamantatra.
Misoko mangina, fa tsy fanararaotra,
Misoko mangina, fa sao tafaotra,
Misoko mangina, fa mamy ny aina,
Misoko mangina, ka lanjalanjaina,

Sitrak’I Ny AVO
--------
Rohy:
1186 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sitrak'i Ny AVO
Nampiditra : Sytraka
Daty : 01/08/2013 05:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105