TSY DIA IZANY LOATRA (Sitrak'i Ny AVO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY DIA IZANY LOATRA
Lazainao fa adala
Na hoe : “Tsy mahalala,
Eny, mitotongana
Ka hany lasa fongana
Tsy manam-pahedrena “,
Dia midokatena
Dia hoe mabotry harena
Dia atao mamelotena
Na mbola kely aza
Misy aza mbola zaza.

Fa nahoana no nateraka?
Raha hita fa handreraka
Fa nahoana no navaoka?
Rehefa hanaovana ampamaoka,
Hitsikeraina,
Dia latsaina,

Fa matoa izy mbola zaza,
Dia mila homena izay sahaza,
Hampianarina ho tafarina,
Ka nomena fahalalana,
Ny fanajana,
Dia mialavoly;
Hampidirina an-tsekoly :
Hanpianarina taratasy,
Ny malagasy,
Sy ny sisa,
Ny fampianarana manisa,
Izay dia vita,
Fa tsy hita,
Tsy izany no niseho
Fa ny hainareo,
Ny mitantara,
Ny efa lasa tany ho any,
Tsy ao antsaina ny hizara,
Mba hahaizanay izany,
Revo amin’ny asa
Nefa tsy ao antsainy ankory
Na ny hoe :“Misasa
Alohan’ny matory”
Satria tsy nampianarina
Ka aza omena tsiny
Raha toa tsy hotafarina
Tsy ho toy ny fahiny
Satria tsy nampianarina
Ka ianao diso
Fa aza dia mitsara,
Na revo hanambara,
Sy hanao tsikera
Hoentina hampidera,
‘Zay mety ho fahendrena,
‘Zay tsy nomena akory,
Ka zary hampahory .

Tsy dia izany loatra
Fa ny sainy no nivaotra,
Najary tonga saina
Hoe: “Tsy izany no ilaina”
F’efa hafa mihitsy
Tsy toy ny fahiny
Tsy tokony hitsitsy
Toy ireo vahiny
Najary tonga saina
Hoe: “Fandrosoana izao”
Tsy mitsitsy aina
N’inona no atao
Na ratsy aza izany
Dia hekena hatrany
Diso fiheverana
Eny, tsy hainy ferana
Satria tsy nihaino anatra
Eny, na ny mianatra,
Tsy ataony akory.


Sitrak'i Ny AVO
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
1039 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sitrak'i Ny AVO
Nampiditra : Sytraka
Daty : 25/07/2013 08:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114