AHY IANAO !!! (Skalove)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nidobodoboka tsy nijanona ny foko
Raha nahita anao, iny eny hanatona ahy
Toa tsaroako tsy misy izany toloko
Fa nisinda ny alahelo, eny, tsisy ahiahy

Tonga teto ianao, tonga teto amiko
Namihin'ahy mafy, nanorok'ahy sahady
Tonga niantoraka mafy teto an-tsandriko
Ilay feonao malefak'iny no nanampy azy

Faly aho ry tiako, eny tena faly
Tsy omby tratra ny hafaliako eto anilanao
Lavitry ny sorisory, jaly sy tomany
Fa fifaliana lalandava, eny hatramin'izao

Eny, hatramin'izao aho feno hafaliana
Tsy haiko aloha izay ho valin'izany anefa
Ka ny hany hirariana, tsy hisy fahoriana
Fa fahasoavana ihany no hiantefa

Mahafinaritra ny foko ianao mamihin'ahy
Mamikitra mafy, miangolangola fiteny
Miangotingoty, misinton'aingam-panahy
Ny fihetsika hitako amin'ny masonao mijery

Ilay endrikao mahafatifaty tena tsara
Miampy ilay fitsikinao malefaka
No mahatony ity foko adaladala
Izay feno sorisory, alahelo mavesatra

Ankehitriny, tsy irery intsony aho
Fa efa misy anao hiaraka hitoetra
Hiara-kamakivak'izao fiainan'izao
Ka dia miankina aminao ny amiko rehetra

Eny, miankina aminao, hoy aho aminao
Satria ianao no andry hiankinan'ny fitiavako
Ka holazaiko mazava soa ho fantatrao
F'efa ahy ianao, eny , ahy ianao rahavako
--------
Rohy:
845 1
Mpakafy: ntmsskalove
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skalove
Nampiditra : ntmsskalove
Daty : 11/07/2019 16:42
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144