Embona!!! (Skalove)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haiko ny hanadino
ilay fitsikinao
Mangatak'aho fihino
raha toa ka sitrakao

Tiako loatra ianao miantoraka
eto an-tratrako eto
Mba hampifaly sy hampioraka
ity foko feno sento!

Ny feonao malefak'iny
no mba tiako ho re matentika
S'ilay tambitamby, teny mamy
fanaonao ahy rehefa vesatra

Tsy hadinoko ireny
ianao ilay mijery ahy
Izaho hiteny, tsy mahateny
ianao hananton'ahy tsy sahy

Ny masonao mipitrapitra
sy ny endrikao mahate-hotia
No mahajamba ahy, ka tsy mahita
tsy mahita akoatra ndrĂ¿

Ankehitriny toa tafasaraka
noho ny elanelan-tany
Ny ranomasoko latsaka
Ny saiko mbola any,
mieritreritranao any

Malahelo aho isan'andro
mahatadidy ireo lasa
Maloto hatramin'ny akanjo
tsy mba misy voasasa

Adala sitrana hoy ny olona
mantsy ahy indraindray
Ka tsy mba misy hampionona
ny saina, fo sy ny fanahy,
satria ianao alavitr'ahy

Tsy misy olona mba afaka
hanome teny mamy intsony
Sy tambitamby hanafaka
izato fo sorisory

Fa ianao ilay nantenaiko
ho andefimandriko rahatrizay
Kanefa indrisy re rahavako,
f'isika tsy natao ho iray

Mitso-drano anao aho
mba hahita izay hirina
Ary aza manahy ny amiko
fa ny ho avy no hirarina!
--------
Rohy:
602 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skalove
Nampiditra : ntmsskalove
Daty : 10/07/2019 10:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098