"Tovovavy" (Skalove)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray hariva izay
Teo am-pototry ny hazo
Nisy tovovavy iray
Nilalao vonikazo

Tovovavy tsara tarehy
No maontina fiakanjo
Izy io dia mamehy
Karazam-bonikazo

Tovovavy tsara bika
Tovovavy lava volo
Tovovavy kely sarika
Tovovavy tsara fijoro

Tovovavy tso-piainana
Tia mioty vonikazo
Sady be fandeferana
Amin'ny fiainany isan'andro

Tovovavy tia mitsiky
Tsy mba tezitra izany
Na koa hoe kivikivy
Fa miramirana hatrany

Izy tsy mba menamenatra
Fa isan'andro korazy
Tsara atao fitaratra
Amin'ny fiainana ho avy!

Tazako eny an-tanany eny
Misy vonikazo maroloko
Izay nofeheziny kely
Ka mambabo ny foko!

Eh! Tsara loatra ianao
Ny endrikao mahagaga
Fa mameno ny tavanao
Ny loko mangamanga!

Endrey 'ty hatsaran-tarehinao
Mahafinaritra ery
Miampy ny fitsikinao
Mahafatifaty,maha-te-hotia

Nosoratako ity tononkalo ity
Mba ho fahatsiarovako anao
Nosoratako ho an'izay mankafy
Karazam-bonikazo toa anao!


13-febroasy 2019

SKALOVE

"Tovovavy"
--------
Rohy:
639 1
Mpakafy: ntmsskalove
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skalove
Nampiditra : ntmsskalove
Daty : 08/08/2019 12:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152