"TSIAHY" (Skalove)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitsoko mangina
Ato am-poko ry tiana
Ilay toetranao mahaliana
Maneho hafaliana!

Tsy afaka ato an-tsaiko
Fa zary lasa tanisaiko
Hampitony ny adalako
Ilay feonao milanto

Toa manala sorisory
Mampifaly,mampitony
Ka tsy haiko atao an-kery
Ny fitiavana ao am-pony.

Tiako ianao kanefa
Ny foko tsy nahefa
Fa taminao no niantefa
Ny tao anatiko rehetra

Dinam-pitiavantsika roa,
Izay tena matotra tokoa
No mandroaka ny ambiroa
Izay mibahana ao am-po!

Fa ny saiko sy ny foko
Izay efa nitoloko
No indro fa miventso
Ny hafaliana sy ny sento

Na misy mitady handrava
Manaratsy,manabanga
Dia tsarovy lalandava
Fa ny antsika tsy ho rava!

Fa ny an'ny olon-kafa
No mety ho voafafa
Na koa mety tsy hahazaka
Toy izay efa lasa



06-aoùt 2019
Skalove & Fiadanana
Daniel riûs
"TSIAHY"
--------
Rohy:
506 1
Mpakafy: ntmsskalove
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skalove
Nampiditra : ntmsskalove
Daty : 08/08/2019 12:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144