Aingam-panahy (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miainga ny fanahy
anefa hiainga ho aiza moa?
Mamerina ireo tsiahy
miresaka amin'ny ambiroa

Mampisy ny tsy misy
ho eo ambony taratasy
mba ho kantonao f'indrisy
Mangasihasy...

Tsisy mihaino
tsy misy maso mba miandany
kanefa ange mba saino
ireo peniko efa lany!

Fa hiainga foana ny fanahy
raha mbola misy taratasy
Satria kanto loatra ho ahy
ny literatiora malagasy

Skual
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1931 0
Hevitra mandeha
hasiniony ( 15/07/2013 15:38)
...
Ny poety koa ry zandry dia karazana valiha
Ka ilainy lalandava irony ratra tsy mitony
Irony kalony milanto tsy mba maro mpankafy
Raha tsy heno sy tsaroany fa efa tresaka ny fony !
Skual.R ( 16/07/2013 09:04)
marina izany fa misaotra anao e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 30/06/2013 16:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151