APETRAHO NY CV (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Firenena iray atao hoe Madagasikara Mitady maika
Mpitondra tsy mba daika
Sady tia mangarahara.


Tsy mpitondra be kabary Mampiesona isan'andro
Dia mampanonofy atoandro
Tsy ilay te ho hita sary


Tsy mpitondra be marenina
Sy jamban'ny dolara
Dia ny gasy diso anjara
Tsy mpitondra mampanenina.


Tsy mpitondra midororo
Mody masina amin'ny paozy
Kay mpamotsy "bois de rose"
Tsy mpitondra mpampihorohoro.


Fa mpitondra: olom-bonona
Ka sahy mijoro marina
Milofo ny hanarina
Ary mahalala onona.


Fa Mpitondra olom-banona
Tsy matin-drendrarendra
Ary tsy kisendrasendra an!!
Efa manana planina.

Ny olana hatrizay?? Ny olom-banona tsy vonona
Ny olom-bonona tsy vanona -

APETRAHO NY CV

Skual Rakotonirina 16/10/15
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
1559 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 19/10/2015 05:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102