DIA GAGA IANAO - Skual
Azo vakiana?
Rehefa iny aho ka sorena
Noho ny adiadintsika
Lazainao fa tia tena
Sady loza raha hasiaka
Hoy ianao hoe ratsy saina
Tsy mahay manambitamby
Raha fitia no ampitahaina
Dia ny anao no manan’amby
Rehefa injay aho tonga saina
Ka miezaka, milofo
Ny mba hiova fomba fiaina
Tia dia manome porofo
Manambitamby foana
Teny mamy tsy ho voafintina
Asa lahy na dia nahoana
Ianao indray no be kizitina
SKUAL RAKOTONIRINA
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 16/03/2015
Mpamangy : 1574
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
APETRAHO NY CVAleoko
INONA MOA IZAHO?
TIAKO NY SIPAKO
ANTEMA
NIOVA BE RAPANANA
SMS
Raha mivavaka ianareo
Iny tsikitsikiko iny
Ny soratra mpanoratra