Efa fantatro (Skual)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Piso a!
Efa fantatro hatrin'ny ela
anie ny teti-dratsindry e!
Ireo teny mamy avy eo an-dela
sy ilay maso mody tia!
Fantatro aby izany
izaho mihintsy no adala
Mbola misisika eny ihany
na dia atao anjorom-bala


Efa fantatro fa vola
no mahatonga anao hidola
sy hifikitra aty amiko
toy ny hoe indramiko
ny fitiavanao ry tiako
ka manjary hikipiako
ny ditranao tsy hay arenina
efa fantatro...
Modìko be marenina!


Efa tonga aty an-tsofiko
eny, hitako amin'ny nofiko
ianao mifosa manambany
ahy any ambadimbadika any
Diso fantatro loatra
fa ianao manararaotra
na izany aza...
Mankasitraka, misaotra!


Efa haiko sombin'aina!
Tsy takona afenina
fa tsy sahiko lazaina,
tsy sahiko tenenina
Ny antony dia ity
aleo tsoriko eto izao:
Matahotra aho aky,
Matahotra aho ny tsy ho anao

Skual
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1623 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 09/07/2013 14:20
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148