Fandrosoana (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofy izany fandrosoana
Mbola sarotra ny dingana
mbola laozana milòna
mbola laoza-mifamingana

Lany andro mitsikera
Manaratsy be fahatany
Izay mitsangana azera
hidaraboka amin'ny tany

Itsy ihany aloha no tiako
Dia tiako foana n'inona n'inona
ny ratsy ataony hikipiako
Tohizo ihany,tsy maninona!

Fa itsy indray ankahalaiko
tsy tian'ny ao an-tranonay
Eny,na hanavotra ny aiko
Tsy tiako fotsiny dia izay

Inona ilay tolona?
Angaha tsy ny hevitra no miady
no dia mankahala olona?
Mifanajà re azafady!

Izay asa soratra vakiako
mifanaraby,mifanolana!
Ny hany zavatra takiako
Mba manomeza vahaolana

Izay mandainga izao no marina
Fomba fiaina avy aiza loatra?
Ny toe-tsaina mila amboarina
Raha toa isika te hivoatra

12 Juin 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Tanindrazana
2092 1
Hevitra mandeha
megamix ( 13/06/2013 19:47)
Toe-tsaina efa raiki-tapisaka amintsika tokoa ny mifamingana samy malagasy. Isika mpanoratra dia manana adidy hitondra anjara biriky amin'ny fanovana io toe-tsaina ratsy io.
Mankasitraka sy mankatelina amin'ny asa-soratra mampisaina toy izao eh
AORN
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 12/06/2013 08:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096