Fitiavana ve? (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miangavy anao aho aloha hitony
sao taitra loatra ka hivarina
Ary aza manontany ahy intsony
fa hambarako ny marina

Raha mbola resaka fitia...
Ny vita aza nanenenako
fa matoa aho tia an-dry
dia tiako be aloha ny tenako.

Taloha aho mantsy raha nitia...
izany anie ka lalim-paka
Raha mbola iny nankafy!
tampotampoka eo voadaka

Isaky ny mba manolo
"ity angamba vao ho izy"
Hay mitovy be daholo
samy manome krizy.

Ankehitriny kosa aho tiana
mba anjarako ny toerana
aza midongy ho rarahiana
fa ny rafinao tsy ferana

Efa sasatra aho ny miarina
ka aleoko manala azy
Ny fitiavana amiko amboamboarina
vintana ny mariazy

Sao koa ianao jambena
ny tononkalo izay hiraiko
ka mbola hino sy hanantena
ny fitiavana lazaiko?

Raha mba fantatrao moa!
Aleo tonga dia hitsiako
fa anoratako avokoa
ireo vehivavy izay kaotiako.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1629 1
Mpakafy: Skual.R
Hevitra mandeha
fitahina ( 11/06/2013 02:28)
(y)
Skual.R ( 12/07/2013 19:45)
Be dia be no mankahala ahy noho io tononkalo io a! Tsy voatery ho izaho ange no manao an'io e!
Skual.R ( 12/07/2013 19:45)
Be dia be no mankahala ahy noho io tononkalo io a! Tsy voatery ny fiainako ange no soratako e
fitahina ( 13/07/2013 10:24)
mankahala a! mahaga2 zany f za manokana aloha d mankafy , mìsötra e!
Skual.R ( 14/07/2013 18:23)
Misaotra anao makafy e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 10/06/2013 20:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146