INONA MOA IZAHO? - Skual
Azo vakiana?
Inona moa izaho fa « taomobilina » kapoaka
Rohitina amin’ny tady any amin’izay tianao andehanako
Ianao no fitokisako ka n’inona hipoaka
Handroso foana aho raha hazominao ny tanako
Inona moa izaho fa ilay hena antanan-tsaka
Tsy mikofoka intsony fa voafikitrao mafy
Ilay fitia anatiko ao anie ka tena latsam-paka
Tsy haiko akory izany dikan-teny hoe mampirafy
Ary ianao kosa ary mba inona e?
Ataoko hoe Andriana angamba?
Ny foko mantsy tsinona
F’ilay andevo kely jamba
Manaiky ho babo mora fotsiny
Manaiky anao ho Andriamaniny
Ianao no hany rotsirotsiny
Ianao no tokana sy maminy
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 20/03/2014
Mpamangy : 1661
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
APETRAHO NY CVAleoko
DIA GAGA IANAO
TIAKO NY SIPAKO
ANTEMA
NIOVA BE RAPANANA
SMS
Raha mivavaka ianareo
Iny tsikitsikiko iny
Ny soratra mpanoratra