Raha mivavaka ianareo - Skual
Azo vakiana?
Raha mivavaka ianareo
dia manaova hoe :
Rainay any an-danitra
Izany lanitra ry Ray o!
mbola iry ambony iry
mbola heveriko indraindray
hoe tsy hitanao izay ataoko ety
Ny foko re no amboary
ho lanitra hitoeranao
koa mandrosoa ary
fa ao no fiandriananao
Raha mivavaka ianareo
aza toy ny fariseo
sy mpanora-dalàna
izay tia misehoseho
sy mivavaka ankalamanjàna
Ato an'efitranoko ato
inty aho Raiko mandon-tratra
mivavaka tsy miato
ho an'i Dago izay maratra
Efa-taona izay no vita
nasafoton'ny tadio
hatram'izao mbola miampita
amin'io tetezana io
Raha mivavaka ianareo
manaova toy ilay mpitondratena
nivazizotra, tsy leo
nangataka izy dia nomena
Izaho koa Tompo o! mitalaho
ny fireneko anie ka ory e!
ny gadrany vahao
Tsy maty io angamba fa matory e?
SKUAL
Hevitra mandeha
Zozoro (17/09/2013 19:17:37)
Mahay ny mpanoratra. Misaotra nizara e!
kiriah (21/09/2013 13:27:57)
Mombamomba
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 17/09/2013
Mpamangy : 1740
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
APETRAHO NY CVAleoko
DIA GAGA IANAO
INONA MOA IZAHO?
TIAKO NY SIPAKO
ANTEMA
NIOVA BE RAPANANA
SMS
Iny tsikitsikiko iny
Ny soratra mpanoratra