SMS (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako oa ianao e!
Ary toa tsy rototra
Ny mamaly koa hoe tia?
Sa...mbola zatra ilay
Sangiko matetika?
Asa!

Aleo andramako andefasana
Bisous!
Ary toa tsy menatra
Ny milaza hoe:mamy!
Sa...mieritreritra fa
Bisous @ takolaka?
Asa!

Anefa izy iny androany
Toa nandinika ahy mazàna a!
Inona no antony?
Izaho ilay be fitiavana sa...
Izaho ilay tsy mikapa?
Asa!

Aleo ajanona any
Ity resaka someso ity ka!
Manahiran-tsaina
tsy ahitàna izay marina
Sa...mety ho tezitra izy
Raha toa aho tsy mamaly?
Asa!

SKUAL
23/09/13
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2474 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 24/09/2013 17:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104