Ho an'i... - soama
Azo vakiana?
Ho an' i...
Fotoana vitsy monja...no nahitako anao,
Sendra mba nandalo.
Toy ny dobok'onja...ny tao am-poko tao!
Nanosika ahy hikalo.
Sahirana ny saiko..toa sadaikatra aho satria
Ianao nanohy nandeha.
Ny hikiaka toa tsy haiko, na hiantso hoe avia.
Tena babo aho ve?
Lasanao nankany...vinakinao tsy nahy
Ny silam-poko ho maro...
Raha tsapanao izany, aza avela hangaiahy
Fa avereno atambaro.
Soama.
Hevitra mandeha
moi (01/12/2003 15:33:28)
Natambatro raha izaho no i ...
Nefa sao dia ilay namako fa tsy izaho ilay i ... e ?
Efa nientana kely ihany ny foko !
Mombamomba
Mpanoratra : soama
Nampiditra : soamaDaty : 24/11/2003
Mpamangy : 1759
Mankafy : 4
Tononkalo hafa
RovaNofy
Tsy haiko ny naneho
Rova
Vavaka