Nofy (soama)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofy

Nanonofy anao aho omaly;
Dia falifaly aok'izany.
Saingy nofy mampijaly!
Satria sary fotsiny ihany.

Ny endrikao tao miramirana
Iriko handravaka ny akany
Saingy nofy manahirana!
Satria sary foana ihany.

Ny tsikinao, ny fombanao
Nantenaiko tsy ho lany.
Saingy nofy mankalao!
Satria sary foana hatrany.

Hihaona soa tsy ho ela intsony.
Am'izay aho dia ho tony.
Ho faly tsy hanan-donilony
Satria ianao tsy sary intsony.

Soama

29.05.96
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3109 2
Mpakafy: malbosco - Rhayman
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : soama
Nampiditra : soama
Daty : 09/11/2003 01:50
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111