Tsy haiko ny naneho - soama
Tsy haiko ny naneho
Tsy tsinjonao tamin'izany
Fa niboika tato an-tsaiko
Ho anao mba nantenaiko
Ny Faniriana sesilany.
Tsy tsapanao akory
Ilay fanainga mba natorako
Sy mba hany nisalorako
Ny fitiavanao natory.
Tsy henonao ilay feo
Niritsoka mangina,
Asa, ianao variana
Tsy naheno ny toreo.
Tsy azonao an-tsaina
Ny tao anatiko tao
Izay nivetso anao
Nofidiko ho lalaina.
Tsy tsikaritrao satria,
tsy haiko ny nitsotra,
Ny tao am-poko nipololotra
Toa kely manam-pitia.
Tsy voarainao kosa
Izay natokako homena
Dia ireo toky sesehena
Sy ireo teny soa miavosa.
Tsy fantatrao anefa,
Fa taminao, rahavako,
Ny tena fitiavako
No zary niantefa.
Tsy takatrao tokoa
Ny tena tiako ambara
Izay nivalona ho tantara,
Tsy afaka ao am-po.
Soama
15.09.89
Hevitra mandeha
tanjonaherimpinoana (05/01/2019 07:33:56)
Mombamomba
Mpanoratra : soama
Nampiditra : soamaDaty : 09/11/2003
Mpamangy : 2313
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RovaNofy
Rova
Ho an'i...
Vavaka