You are here: home > Vetso

F' ANGAHA - Solofomanjato

Azo vakiana?

F’ANGAHA

F’angaha ny avonavona mahavidy aina ?
Sa moa filafilan’ny tia rehareha ?
F’angaha ny hatsaràna mitory ny an-tsaina ?
Ka hiandry voadona vao hiova fandeha.

F’angaha ny fo tsotra ilaina alalinina ?
Sao ve sarintsarin’ny endri-panahy ?
F’angaha moa ny resy fanao tsinontsinona ?
Ndrao tojo mahery vao hilefa tsinahy !

F’angaha raha tiavina dia ho saro-takarina ?
Ka hilaza fa ny ampitso nofy ririnina;
Ny havoaky ny anio aza tsy hainao fantarina
Ka valala eny an-danitra ve hofihinina ?

Aza mihevitra ny hafa ho tsy misy vidiny
Ka hamatra ny tena ho tsiroamantany
Ny tantely aza mamy fa mba misy ngidiny !
Lalàna mitondra ny fiainana izany.



SOLOFOMANJATO

Hevitra mandeha

Zozoro (24/07/2009 15:05:11)

Mampalahelo be ianao .

endrika01 (05/08/2015 15:59:10)

Alaivo mora e!

Hametraka hevitra

Midira aloha