HASIANA ELATRA - Solofomanjato
Azo vakiana?
HASIANA ELATRA
Hasiana elatra ?...
Angaha ianao tsy tazako ?
Angaha ianao tsy anilako ?
Moa ianao tsy takatro ?
Moa ianao tsy silako ?
Ka nahoana ianao, no hovolena elatra ?.....
‘Ndeha hisidina avo indray
Hanadino ny eto an-tany !
Hoany an-toeran’ny fanahy
Any…misy maminy any… !!!
Fa nahoana ianao, no homena elatra ?
Sa te handao ny taniko ?
Sy ny mba nofy mamiko ?
Saingy indrisy, izany?
Mbola nofinofiko ihany…
F’efa àry ela ny elatrao
Tsy ilaina akory hamarinina
Notakariko hofihinina
Saingy efa lasana, nandao
Avelao aho ho amin’izao
Avelao aho ho eto ihany
Fa inoako, fantatrao
Raha toa aho ka mitomany !
Fa….
Tsy ampy hiadananao ny mamiko
Tsy ampy ivalamparanao ny sandriko
Nefa ireny mba niriako
Ho fifalianao olon-tiako !
Handeha ianao ? soava dia !
Ary koa tongava soa !
F’aleo ambinambina fitia
No mba anjara falim-po
Fa na misy na tsy misy
Ilay nofiko…hotiavinao
Tsy tomany aho…fa mitsiky
Sambatra aho fa « tia anao »
Hevitra mandeha
Zozoro (24/03/2009 14:00:13)
benasy (25/03/2009 06:19:47)
Elatra tsy hita maso no aminy ka ! Elatra saro-pantarina...
Fa manana izy angamba!
Na ny marimarina kokoa... tokony ho izany !
Mombamomba
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasyDaty : 09/03/2009
Mpamangy : 924
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
F' ANGAHAFIAINANA
HO INONA ?
MIJOROA
RAHA HO TONGA NY ANDRO IRAY
TSY MAINTSY VE ?
AINA
TSY HO VERY MAINA
NY POETY
TSY IZAHO