You are here: home > Vetso

HO INONA ? - Solofomanjato

Azo vakiana?

(Ho setrin’ny “ho anao” nosoratan’i Zozoro)

Tsy ahoako akory izay bedibedinao
Fa ny hany tokana fantatro dia izao
Tia anao ny foko, ary ny fanahiko
Tia anao tsy miambatra,
Raha tany ilainao ho fantatra
Sy izay rehatra ahiko

Tsy ahoako akory izay ventesinao
Fa ny hany tokana fantatro dia izao
Ny anaranao no sampy nitokiako
Ireo sarinao fibanjiko no tiako
Sy loko an-taratasy vitsy nofidiako  
Sora-tànanao tsy foin’ny fifaliako

Raha toa ka tsy eo ianao
Ho inoko avokoa izao rehetra izao ?
Raha toa tsy nisy ianao
Hisy dikany inona izao tontolo izao ?
Raha toa tsy reko ianao
Ho gina itony tany
Higoika antiko aho…
Hifokofoko mitomany.


SOLOFOMANJATO

Hevitra mandeha

Zozoro (30/07/2009 15:31:54)

Lasa gina itony tany...
Izaho koa higoika anatiko...
Hifokofoko mitomany.

Hametraka hevitra

Midira aloha