MIJOROA (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIJOROA


Nandalo
Nimaona
Tsy hiverina intsony
Ny kalo
Misaona…
Fa efa nitony
Ka niova
Ho hira
Ny onja
Efa dila

Ambinambin’
Ny feo
Voatsiramby
Anikeheo
No nivoatra
Ho vazo
Ka niloatra
Tsy azo
Notanana
Intsony
Tanatin’
Ny fony

Hira mpandresy
Mifeo fandresena
Ingaho hifanesy
Fa aza terena
Ho matroka foana
Ny masonao roa
Toa olona moana…
Toa mana-manjo…
No ilaina mijoro
Hiatrika ady
Fa tsy olona toro
Sy resy sahady



SOLOFOMANJATO
--------
Rohy:
2125 1
Mpakafy: benasy
Hevitra mandeha
Zozoro ( 06/07/2009 12:19)
Izay tsy mandresy dia ho resy...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 06/07/2009 10:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142