TSY HO VERY MAINA (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HO VERY MAINA

Nataoko tsy haniry,
Kanjo namololona
Nefa dia impiry
Ny ady sy ny tolona
Nanaovako anjolofo
Mba tsy hipoitra intsony
Izay tsirina solofo…
Sy rakitry ny fony
Nefa very maina
Ny herin’ny fangiazako
Fa indro velon’aina
Ilay tsimo-bonikazoko

Tsy nampihontsina azy
Ny fantsika letrezana
Fa toy ny vazivazy
Amin’ny andrarezina
Ataon’ny vitsikambo
Sy ny fihovitrovitry
Ny hotraky ny rano
Nararako ho eo ampotony
Handevona ny dimbin’
Izay sisa nasampotin’ny
Onjan’ny tadidy
Sy mety ho fofom-pofony

Saingy zava-poana
Ny tefaky ny sompatra
Natsentsiko ny làlany
Fa andro vitsy foana
Dia tsimoka misokatra
Hamelona ny anarany
No indro fa nifoha
Avy tamin’ny faka
Ilay tena izy mbola
Ilay tsimanampaharoa
No hay ka lalim-paka
Fa tsy voatamby vola

Tsy handingana ny peniko,
Tsy eken’ny eritreritro,
F’indro mbola hikika,
Ho an’ireo mikitra
Sy resin’ny hasomparan’ny
Mpanova ny tantarany.
Ilay Madagasikarany



SOLOFOMANJATO
--------
Rohy:
2003 1
Hevitra mandeha
Zozoro ( 19/06/2009 12:53)
Ry Tanindrazako,

" Raha toa aho mamadika anao
dia aoka ho moana sy tsy aloam-peo
ary ny soa izay katsahiko koa
dia tsy ho hary fa ho rava avokoa..."
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 18/06/2009 06:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108